Tsy raiki-pitia akory fa nirakitra ara-nofo. Niparitaka be tao amin’ny tambajotra sosialy facebook omaly ny sarin’ireo mpifankatia izay nanao firaisana ary niraikitra, tao Ambositra. Tranga-javatra mety miseho ihany izany ary tsy vao voalohany saingy tsy matetika. Niparitaka fa tao amin’ny tanàna iray tao Ambositra no niseho izany. Isan’ny nahoraka fa voatery nanaovana fombafomba izay vao nisaraka ny nofon’izy ireo. Ny sary niparitaka indray dia ny fitangoronan’ny olona izay nanampy tamin’ny fanasarahana. Rehefa nohamarinina teo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia nilaza izy ireo fa tsy mitombina izany. Sady tsy nahare antso mahakasika ny fisian’izany no koa nanamarina fa tsy nahita na nandre ny zava-niseho izy ireo. Amin’ireo mpitandro ny filaminana dia sary tany ivelany tany no naparitaka mba hanintonana ny sain’ny olona. Izay mety ho tanjona dia tsy mbola voamarina satria iaraha-mahalala fa betsaka ny pejy no mitady zavatra hafahafa toa izany mba hisintonana mpanaraka. Na izany aza anefa tranga mety mitombina ihany ny “pénis captivus” fa firaiketan’ny olon-droa mandritry ny firaisana ara-nofo, amin’ny maha-hozatra ny fitaovam-pananahana.
D.R