- Publicité -
mardi, juillet 29, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbositra : Nahitana fatin-dehilahy iray tao an-dohasaha

Ambositra : Nahitana fatin-dehilahy iray tao an-dohasaha

Nahitana fatin-dehilahy iray tao  an-dohasa, ambany atsinanan’ny banky “BOA”, ny  alatsinainy faha-24 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina.

Tonga dia nandray ny andraikitra avy hatrany ireo manampahefana mahefa, nijery ny zava-misy tany an-toerana, ka fantatra tamin’ny fijerena ny razana, fa lehilahy  iray fotsy fihodirana, sahabo ho 50 taona eo ho eo  ilay olona ary  raparapa ny tenany. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy tany aminy ary ireo olona tonga nijery azy  ihany koa, tsy nisy  ‘nahafantatra azy. Efa nalefa eny amin’ny tranom-paty ao amin’ny hopitaly be ny razana.Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana.

Herinandro vitsy lasa izay, dia nahitana fatin-jazakely ihany koa teny an-dohasa akaikin’ny “stationnement” avaratra.

Anastase

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici