Atoa Rakotomalala Richard, administrateur-civil no voatendrin’ny fitondram-panjakana ho préfet-n’Ambositra vaoavao. Notaterina ny alakamisy faha 10 aprily lasa teo, tao amin’ny efitrano malalaka ny fivoriana “maison orange” ny faritra Amoron’i Mania, ny lanonana manamarika ny fifamindram-pahefana, teo amin-dRtoa Andrianaivo Ravakiniaina, préfet-n’Ambositra teo aloha sy Atoa Rakotomalala Richard préfet vaovao. Atoa Rakotomalala Richard, administrateur civil, dia efa ny sefo distrikta teto Ambositra sy sekretera jeneraly ny pefecture-n’Ambositra talohan’ny nandraisana izao andraikitra vaovao izao.
Anastase