Tsy nanaiky lembenana teo anatrehan’ny fahavalo mpanani-bohitra ireo fokonolona tamina tanana iray tao amin’ny distrika Ambositra, ny alarobia lasa teo. Eny fa na dia hary fitaovana aza iretsy voalohany, satria ny sasany tamin’ireo dahalo dia nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny basy “kalach”, izay azo teny am-pelan-tanan’izy ireo ihany moa ny iray tamin’izany.
Nitrangana fifandonana mahery vaika tokoa tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Sahanato, kaominina Ambohimitombo II, ny vao marainan’ny voalohan’ny volana jolay teo. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any dia fantatra fa misy andian-dahalo am-polony any ho any, nirongo fitaovam-piadiana nikasa ny hangalatra omby tao amin’io tanana io. Raha vao nahare ny vaovao ireo fokonolona, izay efa nahazo fiofanana sy fampianarana manokana ny amin’ny fiarovan-tenan’ny tanana avy amin’ireo mpitandro filaminana dia niray hina, nandeha nanakana ny kizo, toerana izay mety handalovan’ireto malaso ireto. Nifamadika teto ny rasa ! Tafiditra soa aman-tsara tao anatin’ny vela-pandrika napetrak’ireto fokonolona mantsy ireo mpanani-bohitra izay tsy nanampo velively ny zava-nisy. Raikitra teo ny fifanjevoana. Resy tosika ary tsy nahavita akory nanao ny asa ratsiny ireo andian-dahalo. Tsy nisy nanombinana kosa tetsy andanin’izay ireo fokonolona : tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy. Vao mainka aza moa azo teny am-pelan-tanan’ireo malaso ny basy “kalach” bory vody iray, niaraka tamina bala miisa sivy. Ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra misahana izany moa raha vao nandre ny fisian’ireo andian’olona mitady hanafika dia efa niainga tany amin’ny toby nisy azy. Natolotra ireo zandary tonga tao an-toerana araka izany ireto fitaovam-piadiana ireto. “Misokatra avy hatrany ny fanadihadiana sy ny fikarohana angom-baovao mahakasika io basy io sy ireo olon-dratsy nikasa hanafika teo an-toerana” hoy ny fampitam-baovao azo. Marihana, fa hatramin’ny volana janoary lasa teo dia basy mahery vaika 13 tamin’ity azo farany ity izay no azo teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy any amin’iny faritra Amoron’i Mania iny.
m.L