Nisy lozam-pifamoivoizana indray tamin’ny RN7 mampitohy an’ Antananarivo sy Toliara, ny narain’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny sivy ora latsaka kely, tao Tsaratsaotra Distrikan’ Ambositra. Vokatry ny fandehanana mafy, dia fiara « Sprinter » iray, izay nitondra ny tarika Lico Kininike (zanaky Rasoa Kininike) sy ny mpandihiny hihazo an’ i Toliara hanao fampisehoana any an-toerana, no nivadika ambony ambany tao anaty fiolahana, ka isan’ireo naratra i Tombo Anjara ; izay mpitendry « clavier »-n’ny tarika. Raha ny vaovao voaray, dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy ireo naratra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Izao trangan-javatra izao, dia mampitamberina an-tsaina sahady ny nanjo ny tarika Rasoa Kininike, izay tsy mbola sitrana ny ferin’ny mpankafy maro hatramin’izao.
Eric Manitrisa