- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Olona 4 maty nokaikerina alika romotra

Ambositra : Olona 4 maty nokaikerina alika romotra

Mitombo isa hatrany ireo alika romotra mirenireny manaikitra olona any amin’ny distrikan’ Ambositra, ka mandry andriran’antsy ny vahoaka. Tao anatin’ny telo volana, raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia olona miisa 32 no voalaza fa nokaikerin’ny alika tratry ny haromotana. 20 amin’ireo no tsy maintsy namonjy tobim-pahasalamana nitsabo tena, izay avy amina tanàna samihafa any amin’ny faritra Amoron’i Mania. Olona efatra tamin’ireo namoy ny ainy, satria tara ny fahatongavany tany amin’ny hopitaly ka tsy nisy azo natao intsony. Ny roa tamin’ireo maty avy any Ambondromisotra distrikan’ Ambatofinandrahana sy Imito any amin’ny distrikan’i Fandriana.

Manaikitra dia mitsoaka. Manaikitra tampoka avy eo mitsoaka ireo alika romotra. Be loatra ny alika mivezivezy ao Ambositra, vitsy anefa no vita vakisiny. Ny andro mafana sady manorana mampirongatra ny haromotana. Miandry ny orana hitsahatra tanteraka anefa vao afaka mamono alika ny tompon’andraikitra any an-toerana, satria mahery be ny fanafody ampiasaina amin’izany, ka mety hitarika loza hafa koa ka mila fitandremana, hoy hatrany ny vaovao voaray.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser