- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Raim-pianakaviana iray hamonjy fahoriana, maty notapahan’ny Fokonolona loha

Ambositra : Raim-pianakaviana iray hamonjy fahoriana, maty notapahan’ny Fokonolona loha

Razan’ilay raim-pianakaviana noheverin’ireo fokonolona fa dahalo tao Marimarina Ambositra.

Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tao amin’ny fokontany Ambinanindrano, any amin’ny Distrikan’ Ambositra. Raim-pianakavina iray mpanao « balustre » ao Ambinanisera, handeha hamonjy ny fahorian’ny havany tany Amboboka no maty notapahan’ny fokonolona loha, tao an-tanànan’i Marimarina. Araka ny tati-baovao voaray, dia nisy fanafihan-dahalo teo amin’ity tanàna ity, ny alatsinainy lasa teo. Ny ampitson’io ity rangahy tsotra fitafy ity no nandalo tamin’ny lalam-bahoaka tao Andalamahitsy, dia nosamborin’ny olona ary noteren’ny mponina fa naman’ireo dahalo nanafika. Nentina tao Marimarina izy. Raha vao niditra ny tanàna anefa, dia vatan-dehilahy voalaza fa mpanara-dia 200  nilanja fibara no avy nitsena. Rehefa avy nampihorohoroana ary nandà hatramin’ny farany ity raim-pianakaviana ity, fa « tsy dahalo izany aho », dia nofirafiraina tamin’ny antsy lava lela, ka tapaka teo amin’ny valanoranony havanana, vaky ny loha, hoditra sisa nitana ny tendany, ary maty teo no ho eo ilay lehilahy. Raha ny nambaran’ny fianakavian’ny maty naka ny razana, ny alahady teo, izay niaraka tamin’ ireo olona 50 mianadahy, fa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana mihitsy ny havanay, satria mbola nahitana dian’ antsy telo teo amin’ny kibony, roa teo amin’ny lamosina, ary tapaka hatreo ambany lohaliny ny tongony ilany. Manoloana an’izao tranga mamohehitra izao, dia manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ny havan’ny maty, mba tsy ho vitavita mora fotsiny, izao vono olona niniana natao nahatsiravina izao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici