- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbositra : Raim-pianakaviana maty voatifitra tao an-tranony

Ambositra : Raim-pianakaviana maty voatifitra tao an-tranony

Lehilahy iray, raim-pianakaviana, no notafihan’ny jiolahy tao an-tranony. Notifirina tsy nisy antra izy ka maty tsy tsa-drano vokatr’izany. Ny zoma lasa teo no nisehoan’izany asan-jiolahy izany tao Ankafotra Ambositra. Raha araka ny fanazavana azo dia vao tonga avy aty an-drenivohitra izy io ary nitondra vola. Io no heverina hatreto fa nokendren’ny olon-dratsy ka nahatonga azy ireo hamono ho faty ilay rangahy. Nirefotra indroa ny basy saingy ny iray ihany no nahakasika ilay rangahy. Teo amin’ny faritra manakaiky ny fony anefa izany no niantefa ka niteraka ny fahafatesany avy hatrany. Vola tao anaty sakaosy iray no nentin’ireo olon-dratsy nivoaka tao, raha araka ny fanazavan’ny manodidina hatrany. Tao anatin’ny fifanjevoana dia nisy olona roa hafa naratra ihany koa tao amin’ilay trano. Nanapa-kevitra ny fianakavian’ny maty ny nanala avy hatrany ny razana tao ny andron’iny ihany, mazava loatra noho ny fitaintainana taorian’ny nanjo azy ireo. Ireo naratra kosa dia nentina tany amin’ny hopitaly. Mbola tadidin’ny maro ny fanafihana ilay mpanao gazety solontena any Ambositra izay notifirina teo amin’ny tongony mba hahazoana ny vola kely izay mba matin’ny varotrany tao anatin’ny iray andro. Izao koa dia misy indray ny fanafihana izay niteraka fahafatesana. Mazava ho azy raha manahy ny olona ankehitriny fa ho lasa faritra menan’ny asan-jiolahy ny tanànan’Ambositra.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser