- Publicité -
lundi, octobre 27, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Rakotra valala, rotiky ny kijeja ny voly vary

Ambositra : Rakotra valala, rotiky ny kijeja ny voly vary

Rakotra valala omaly ny tanimboly sy tanimbary rehetra ao Ambohimanjaka, avaratry ny kaominina Ilaka-centre, distrikan’ Ambositra, manamorona ny lalam-pirenena fahafito iny. Tsy afa-manoatra ireo tantsaha mpamboly manoloana ny firongatry ny andiam-balala mamotika voly mandrakotra velarantany an’hekitarany maro. Hany herin’izy ireo mampidonaka setrik’ afo amin’ny alalan’ny fanaovana doro tanety. Jinjaina mialoha ihany koa ny vary tsy ho potik’ireto andiam-balala ireto. Ny voly avotra andalovan’ireto andiam-balala tanora ireto dia rotika avokoa. Manoloana izany dia manao antsoavo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny mponina any an-toerana.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser