- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra renivohitra : Manao andiany am-polo ireo jiolahy manafika tokantrano

Ambositra renivohitra : Manao andiany am-polo ireo jiolahy manafika tokantrano

Mitohy ny vaky trano eto an-tampon’ny tanàna. Ny herinandro lasa teo, dia nandrenesana vaky trano saika isan’alina ary toa mitovitovy avokoa ny fomba entin’ireo jiolahy manao ny asa ratsiny,

mandeha amin’ny andiany tsy latsaka roapolo lahy, ary iray ka hatramin’ny tranom-ponenana, na magazay telo na efatra no lasibatra amin’izany, sady mitondra fitaovam-piadiana, toy ny famaky, antsy lava lela, lefona, basy vita gasy, sns… Famaky no nentin’ireo jiolahy mamaky varavarana na varavarakely ary ny sasany manao tampim-baravarana, toy nitranga ny zoma alina lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina tao Ampitahana. Lasa avokoa ny entana ao an-trano ary talohan’izany tao  Vatovory, Ambohimiadana, Manolotrony sy ny sisa.

Tsy andrenesam-peo ireo manampahefana hatramin’izao, miainana anaty tebiteby ny vahoaka isan’alina. Ahiana araka izany fa miharatsy andro aman’alina ny toe-javatra misy eto amin’ny renivohitry ny faritra Amoron’i Mania, fa manam-petra ny zava-drehetra.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici