Basy roa vao vita, roa hafa efa simba ary piesy sy karazam-pitaovana fanamboarana izany no indray tra-tehaka tao Ambositra. Tokantrano iray no natao fisavàna rehefa nahazo alàlana avy amin’ny fitsaràna ny zandary. Izany dia nialohavan’ny fahazoan’ny mpitandro ny filaminana vaovao avy amin’olon-tsotra ny amin’ny fisian’ny olona mpanamboatra fitaovam-piadiana, basy. Fanamarinana ihany no natao kinanjo tena nipoitra teo avokoa ny marina. Omaly ihany dia efa nosokafana ny fanadihadiana momba ilay rangahy nosamborina noho ny fanamboarana fitaovam-piadiana sy fitazomana tsy ara-dalàna an’izany.
D.R