- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbositra : Taolam-paty 10 kg no hitan’ny fokonolona

Ambositra : Taolam-paty 10 kg no hitan’ny fokonolona

Taolam-paty milanja 10 kg tao anaty sakaosy lehibe iray no hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Andriambelonomby, distrika’Ambositra. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana dia saika hamidy ireto taolam-paty ireto izay tsy fantatra ny toerana niaviany sy ny nametraka azy teo. Manahy ny olona fa taolana avy nangalarina ireto, saingy mety mbola nitady mpividy ny tompony vao haka ny entana. Taorian’ny nanateran’ny fokonolona ireo taolam-paty hita tany amin’ny mpitadro filaminana dia nalevina avy hatrany tao Ambatosoa ireo « saphir blanc ».
Hatreto raha ny tati-baovao avy any an-toerana hatrany, dia tsy mbola naharay fitarainana momba ny vaky fasana ny any an-toerana, ka mety taolana tany amin’ny toeran-kafa no nentina tao Andriambelonomby izao. Misy tranga mitovitovy tamin’ity ihany koa tao Marosa sy Ambinanindrano mbola any amin’ny distrikan’ Ambositra hatrany. Mipetraka ary ny fanontaniana : « atao inona marina itony taolam-paty itony, fa tsy mitsaha-mitombo ny mibizina azy an-taonany maro izay ?

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser