- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Taolam-paty dimy sakaosy sarona, olona telo voasambotra

Ambositra : Taolam-paty dimy sakaosy sarona, olona telo voasambotra

Taolam-paty  188, izay taolan-dava avokoa, natao tao anaty sakaosy, nentina telo lahy no saron’ny zandary tao Andalamahitsy, Ambositra ny alahady lasa teo. Avy any Fandriana ary ninoana fa saika hampiakarina aty an-dRenivohitra ireto taolam-balo ireto no izao tratra izao. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandarimarim-pirenena tokoa mantsy dia tonga teny am-pototsofin’ireo mpitandro filaminana ny fisiana fiara « Mazda » miloko mena sy fotsy, avy any Fandriana mitondra taolam-paty. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary teo anivon’ny tobim-paritra Ambositra, ny nametraka sakana teny amin’ny làlam-pirenana. Teo Andalamahitsy no voasakana ilay fiara ary natao ny fisavana. Rehefa nosavaina ny entana dia nahitana sakaosy  dimy mampiahiahy. Nojerena ny tao anatiny ka indro fa taolam-paty marobe. Teo  no ho  eo ihany dia nosamborina ireo olona telo tompon’ilay entana ary nentina nofotorana tany amin’ny biraon’ny zandary. Ary notazonina niaraka tamin’izay ilay fiara. Tamin’ny fanadihadiana azy ireto no nahafantarana, fa « efa mpisera taolam-paty » ry zalahy. Mbola mitohy moa, araka ny fampitam-baovao azo hatrany ny famotorana lalina azy ireo, hahafantarana marina ny fiavian’ireo taolam-paty ireto, ny saika hitondrana azy ary izay olona mety hividy izany. Raha ny fandehan-javatra mantsy, dia azo heverina fa tsy vao izao ireto telo lahy ireto no nanao ity asa ratsy ity fa mety ho efa ela, ary mety ho efa manana « mpanjifa » azo antoka handray ny « entana », matoa sahy tonga mitondra izany eny amin’ny làlam-pirenena. Arahana eo ihany ny tohin’ny raharaha ary inoana fa tsy ho very an-javony tahak’ireo fanadihadiana hatramin’izay, izay mijanona hatrany eo amin’ireo « mpisera » sy « mpamaky fasana » tsy mety nahafantarana mihitsy izay atidoha tao ambadik’ity « sera maloto » ity.

m.L / Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici