tamin’ny fanombohana an’ity herinandro ity dia nisy alika tsy dia salama loatra tsikaritry ny fokonolona tao amin’ny fokontany Vohimalaza, ao anatin’ny kaominina Ambositra faharoa. Nisy farora-bava izy io, ary fotoana vitsy taty aoriana dia maty.
Fitilina. Araka ny fanazavana nataon’ny talem-paritry ny fahasalamana eto Amoron’i Mania, dokotera Rasolofonirina Raymonde, dia efa nidina tany an-toerana ny mpitsabo biby nijery ny zava-misy ary nanentana ireo olona nanana fifandraisana tamin’io alika maty io mba hanao vakisiny. Olona efatra no natao vakisiny tamin’izany. Nalefa any amin’ny “Institut Pasteur” ny atidohan’ilay alika mba hanaovana fitilina, andrasana ny valiny tena marina.
Etsy an-dany kosa dia efa misy ny fidinan’ny “medecin-inspecteur” tany an-toerana ny alarobia 24 septambra ary nanentana ireo fokonolona amin’ny fepetra tokony harahina. Marihin, fa mbola tsy misy ny olona matin’ny aretina. Andrasana araka izany ny valin’ny fitiliana nalefa tany amin’ny “Institut Pasteur”. Mitohy ihany ny fikarohana nataon’ireo tomponandraikitra amin’ny biby mety nahazohana io alika io ity trangan-javatra ity. Marihina fa maimaimpoana ny fitsaboana ny aretina haromotana ao amin’ireo tobim-pahasalamana ary tsy azo atao ny mitsapa mivantana ny alika maty ahiana ho voan’ny haromotana, fa tokony handray hazo na fitaovana hafa handevenana azy.