Noho ny fanomezan’ny olona tsara sitrapo loharanom-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana, dia voasambotry ny Zandary tao amin’ny « bar » iray nisotroany, tao an-tampon-tanànan’ Ambovombe Androy, afak’omaly, ny roa tamin’ireo folo lahy mitam-basy nanafika toeram-pivarotana iray tao Maroanaka, ny alin’ny asabotsy teo. Rehefa nofotorana ireto dahalo tra-tehaka dia niaiky ny heloka vitany, ary namboraka fa izy ireo ihany koa no nanafika tao Magnevarova, mbola ny alin’ny asabotsy teo. Ary mbola ny ekipan-dry zareo hatrany no nangalatra ombin-tsarety roa tao Ambaro, ny 01 oktobra lasa teo, izay tratran’ny Zandary sy ny Fokonolona mpanara-dia tao Ankaramena ny ampitson’ io ihany ireo omby very, raha tafaporitsaka nandritra ny fifadonana kosa ireo mpangalatra. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia efa misy fantatra anarana ny amin’ireo dahalo mbola any ampandosirana, ary efa manao hazalambo sy savahao azy ireo ny mpitandro filaminana ankehitriny.
Eric Manitrisa