- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbovombe Androy : Omby 240 norobain’ny dahalo tao Imanombo

Ambovombe Androy : Omby 240 norobain’ny dahalo tao Imanombo

Nitrangana fanafihan-dahalo nahery vaika indray, tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Imanombo, Distrikan’ Ambovombe Androy, afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny fito ora, ka omby  240 tamina vala enina tao an-tanànan’ Ikalady no lasan’ny malaso nitam-piadiana. Tsy nionona tamin’ny fandraofana ny omby teo an-tanàna ireo dahalo, fa nitondra zaza iray ho takalonaina. Rehefa nidrikina mafy tsy nety nanaraka an’ireto dahalo atao takalonaina ny ankizy iray hafa, dia notifirin’ireo tsy mataho-tody teo amin’ny lohany, ka namoy ny ainy, hoy ny vaovao voaray. Noho ny tahotra sy horohoro tao anaty haizina, dify lavitra ny tanàna ireo « kotro », vao sahy niantso vonjy tamin’ny Goverinoran’ny Faritra Androy sy tany amin’ny zandary ny mponina. Taorian’ny baiko nomen’ny « Commandant Groupement de la Gendarmerie » Androy, niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia ny USAD, izay mpitandro filaminana manokana miady amin’ny dahalo. Tao anaty fanarahan-dia, nifanehitra tao Tevamena ny dahalo sy ny USAD, ny alin’ny alahady teo, ka raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, ary malaso maromaro no naratra voatifitra. Rehefa tsy nahatohitra ny mpitandro filaminana nampian’ny Fokonolona mpanara-dia ireo dahalo, dia nanao tari-dositra nitsoaka, ka nisy tamin’ireo omby noroahin’ny dahalo no latsaka. Ary avotra soa aman-tsara ihany koa ilay zaza nataon’ireo malaso takalonaina. Mba hampanano sarotra ny fanarahan-dia, naparitak’ireo dahalo nozarazarain’izy ireo làlana nentin’ireo malaso nitsoaka ny omby sisa teny am-pelan-tanany niaraka tamin’ireo dahalo naratra voatifitra. Hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra, mbola nitohy hatrany ny fanarahan-dia nataon’i USAD sy ny Fokonolona an’ireo mpangalatr’omby.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici