Namingavinga sy nanompa ny lehiben’ny faritra no niampangana ity « assistant parlementaire » an’ny solombavambahoaka avy ao Ambovombe-Androy. Nosamborina izy ary natolotra ny Fampanoavana. Ny andron’iny ihany dia naiditra am-ponja. Raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana dia ny lehiben’ny faritra sy mpitsara iray ary olo-manankaja maro no indray niharan’ity famingavingana ity. Nitory ireo ary nosamborina avy hatrany ilay « assistant parlementaire ». Inona ny nahazo ity tompon’andraikitra ity ka nahatonga azy nanao ilay toetra tsy mendrika? Nisy hamamoana ve sa kosa vokatry ny tsy fitiavana tsotra izao fotsiny? Inoana fa hitondra fanazavana misimisy kokoa momba ity raharaha ity ny manam-pahefana ao an-toerana. Raha ny filazan’ny olona any an-toerana dia mahakasika ny fikasàna hizara ny kaominina ambonivohitra Ambovombe-Androy ho roa no nitarika ny hatezeran’ity olona ity. Tsy niandry ela ny valin-kafatra satria ny maraina izy no nosamborina, nohenoina hatramin’ny efatra ora tolakandro ary nidoboka am-ponja avy hatrany taorian’izay. Arahin’ny olona any an-toerana maso ny fivoaran’ny raharaha.
D.R