Iray amin’ireo fomba fiasa takiana ary ampiharina amin’ny fanatanterahan’ny Mpanatanteraka ny rafitra teknika eo anivon’ny primatiora misahana ny fisorohana sy fitantanana ny amehana (CPGU), ny asany ny fiheverana manokana ny maha lahy sy ny maha vavy amin’ny vanim-potoanan’ny loza sy ny tandindon-doza. Iaraha-mahalala fa tsy mitovy mihitsy ny fiatraikan’ny loza amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Amin’ny ankapobeany dia marefo kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy, fa mety hitranga ihany koa anefa ny mifanohitra amin’izany. Izany indrindra no nahatonga ny fandaharan’asa ADRiFi(fandaharan’asa tohanan’ny Banky Afrikana ho an’ny fampandrosoana) hanome lanja manokana ireo sokajin’olona marefo kokoa. Ho amin’izany indrindra no antom-pisian’ny atrikasa tanterahina aty Ambovombe ny zoma 05 martsa 2021, fampahafantarana ny fomba fiasa sy fifampizarana traik’efa amin’ireo rafitra mpiara-miasa hafa ary angon-kevitra iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra any ifotony. Aorian’ny atrikasa dia antenaina ho voafaritra mazava tsara ireo dingana arahina hanatsarana ny fomba hiaraha-miasa, izay tena maika, ny fohy ezaka ary ny lavitra
Nangonin’i Manjato Razafy