- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbovombe Atsimo : Dahalo roa maty, azo avokoa ireo omby an-jatony nangalarina

Ambovombe Atsimo : Dahalo roa maty, azo avokoa ireo omby an-jatony nangalarina

Omaly maraina, raikitra indray ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny andian-dahalo marobe sy ireo mpitandro filaminana niaraka tamin’ny fokonolona, tany amin’iny tapany Atsimon’ny nosy iny. Vokany, nisy roa tamin’ireo olon-dratsy no maty voatifitra, ary azo teny am-pelatanan’izy ireo ireo omby an-jatony any ho any vao avy nangalarina. Tao amin’ny kizon’Ankalilanavato, distrika Ambovombe,  no nitrangan’io fifandonana mahery vaika io. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanan’Analamboro, ao amin’ny kaominina Imanombo, distrika Ambovombe, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Am-polony maro any ho any ireo dahalo, niravaka ody gasy sy fitaovam-piadiana, nandroaka omby mitotaly eo amin’ny 160 mahery teo tao amin’io tanana io. Rehefa azon’ireo moa ireo omby dia nitsoaka avy hatrany izy ireo. Nampandre haingana ny zandary kosa ireo fokonolona voatafika. Tsy nisy andraso andraso fa tamin’io alina io ihany dia nandefa zandary avy amin’ny vondrona manokana miady amin’ny asan-dahalo (Usad) ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Ambovombe, ho any amin’ny toerana iray (kizo), izay tsy maintsy ho lalana nandehan’ireo andian-dahalo nitondra ireo omby halatra. Nampian’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Beraketa moa izany niaraka tamin’ireo fokonolona nanara-dia avy ato aoriana. Nifanehatra tao tokoa ny roa tonta io omaly maraina io ary raikitra ny fifandonana. Ka na dia teo aza ny hamaroan’ireo olon-dratsy dia vonona niatrika izany hatramin’ny farany ireo mpanara-dia efa tsara ofana. Roa tamin’ireo mpanafika no lavo sy tsy afa-manao ny asa ratsiny intsony. Nahita izany moa ireo andiana malaso ka nanao tsoa-pe namela ireo omby azon’izy ireo. Hain’izy ireo mantsy fa tsy ho resy tosika mihitsy ireto mpanara-dia. Naverina tamin’ny tompony avokoa moa ireo omby mitotaly 158 azo teny am-pelatanan’izy ireo. Fantatra kosa fa nisy omby telo novonoin’ireo mpangalatra tamin’izany. Efa mandeha moa ny fanadihadiana atao, hikarohana olon-dratsy tafatsoaka izay inoana fa tsy maintsy hanohy ny asa ratsiny any an-kafa, rehefa nandamoka io tao Imanombo io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici