- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbovombe : “Kubota” nitondra razana dahalo, namono olona roa

Ambovombe : “Kubota” nitondra razana dahalo, namono olona roa

Tranga niseho tao Antanambara, fokontany Ankalady, kaominina Imanombo, distrikan’Ambovombe, ny faran’ny herinandro teo. “Kubota” nitondra razana dahalo anankiroa lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana no niharan-doza indray. Vokany, olona roa, havan’ireto malaso ireto no maty tsy tra-drano vokatr’izay ary olona iray hafa naratra mafy.

Ny faramparan’ny herinandro teo tokoa mantsy dia nitrangana fifandonana nahery vaika teo amin’ny andian-dahalo sy ny ireo mpanara-dia, tao Bedaro, kaominina Imanombo. Nandritr’izay fifandonana izay dia maty voatifitry ny zandary ny dahalo roa, raindahiny amin’izany asa ratsy izany tany an-toerana. Amin’ny toe-javatra tahak’ireny moa, aorian’ny fitsirihana ataon’ireo tompon’andraikitra ny razana, dia na omena ny fokonolona ny fatin’ireo dahalo, halevina na tonga maka izany ny havany. Tamin’ity dia ny fianakavian’ireto malaso ireto no tonga naka ny fatin’ny havany. Nentina tamin’ny alalan’ny “kubota” izany. Nony tonga teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any dia tsy voatan’ny mpamily intsony izany fitaovana izany ka nivadibaika, nanjera ireo olombelona sy razana rehetra teo amboniny. Maty voatsindr’ity fitaovam-pitaterana ity ny olona roa tamin’ireo velona ary iray kosa no naratra mafy.

Nidina  avy hatrany tany an-toerana moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana, nijery ifotony ny zava-nisy ary namonjy ireto olona tra-doza ireto. Efa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana moa ilay naratra. Ireo razana efatra, fatin’ireo dahalo sy ireo olona matin’ilay loza, dia nentina nihazo an’Amboasary, Belindo ary tany Kalady.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici