Dahalo rain-dahiny, nampitondra faisana iny faritra Androy sy ny manodidina iny, fantatra amin’ny anarana hoe « Maka » no voasambotry ny zandary tany an-toerana tao Antanimora, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny fisavana ireo entana, dia teny aminy dia nahitana fanamiana mpitandro filaminana: « béret vert miaramila misy macaron Eau et Foret ary fanamiana zandary efa tonta » tany aminy. Raha ny fanazavana azo dia efa nokarohina hatry ny ela ity olon-dratsy ity, saingy izao vao tratra, noho ny fiaraha-miasa teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Tamin’ny nahatrarana azy moa, izay heverina fa niomana ny hihazo ny ekipany ary hanatanteraka asa ratsy, dia nahitana kitapo feno fitaovana sy fitafiana tany aminy. Tao anatin’ireo no nahitana ireo fanamiana mpitandro filaminana. Ary ambonin’izay dia mbola nisy fitaovana maromaro, toy ny « ecusson Jado Amboasary » (vaomieran’ny fandriampahelamana any an-toerana), akanjo manokana voaravaka fitaratra, izay marika ny maha-malaso mahery vaika sy mpitarika azy, fehinkibo fitoeram-basy ary fitaovana manokana izay sahala ny basy mihitsy, kiririoka, ary tsy hadinoina, karazana ody gasy (moara sy sikidy marobe). Heverina araka izany, fa hitondra fandriampahelamana any an-toerana ny fahatrarana ity lehiben’ny dahalo ity ary inoana ihany koa fa hanaraka tsy ho ela ireo namany. Ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenana manokana moa dia midera ireo fokonolona izay sahy, nanome tànana tamin’ny fisamborana itony fanetriben’ny firenena itony, ary manentana foana ny fiaraha-miasa, satria, araka ny filazan’ireo tompon’andraikitra matetika dia tsy natokana ho azy ireo irery ny fampandriana fahalemana, fa miankina betsaka amin’ireo valala tsy mandady harona.
m.L