
Ny alakamisy 24 aprily teo, tamin’ny 5 ora, no maty voatifitry ny zandary avy any Ambovombe ny dahalo iray antsoina hoe Remenalava. Anisan’ireo malaso nampitondra faisana iny faritry iny izy ity. Tratra ihany anefa koa dia izao namoy ny ainy izao. Ity jiolahy ity no namono, nitifitra ary nahafaty ilay zandary tany Amboasary-Atsimo roa herinandro lasa izay, araka ny fiaikena heloka nataony tamin’ny fisamborana azy ny 23 aprily. Ireo namany hafa kosa dia mbola mandalo famotorana eo am-pelatànan’ny zandarimaria. Tany ivelan’ny tanàna rehefa vita fakana am-bavany no nahavoatifitra azy. Isan’ireo malaso mpikarama an’ady mpampihorohoro ny faritra Anosy sy Androy ireto voasambotra ireto.
Ny talata 22 avrily lasa teo dia nafana ny fifandonana nitam-basy teo amin’ny samy malaso tany Andavakosy ao anatin’ny boriborin-tanin’Antanimora Atsimo. Vokany, malaso roa saika hamerina ny ombin’ny havany no lavon’ny andiana malaso izay nandroaka ny omby 120. Misy fiantraikany amin’ny filaminan’ny mponina manodidina ihany anefa izany na dia ao aza ny mihevitra fa adin’ny samy malaso ireo. Miverina miha-mahazo vahana indray ny asan’ny malaso aty Androy, ka tsy mandry an-tanàna ny mponina ambanivohitra fa miery any anaty ala, ny omby sy ireo biby fiompy no ajanona ao an-tanàna. Rehefa avy nambabo ireo malaso dia mandoro ny tanàna hatramin’ny sekoly.
Mihorohoro noho ny tahotra ny vahoaka ary misy didy navoakan’ny Distrikan’Ambovombe mandrara ny fivezivezena manomboka amin’ny 10 ora alina hatramin’ny 5 ora maraina. Efa ho herinandro izay no misy taratasy fandrahonana alefan’ny malaso eto an-tampon-tanànan’Ambovombe Androy.
BEBEY Viro