- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversAmbovombe : Olona voarohirohy ho namono olona, nomena fahafahana vonjimaika

Ambovombe : Olona voarohirohy ho namono olona, nomena fahafahana vonjimaika

Nitokona teo anoloan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Ambovombe ny fianakaviana maromaro. Am-pilaminana tanteraka ny fitokonana, tsy nisy fanakorontanana. Teo am-pamakiana ny “banderole” nentin’izy ireo no nahalalana fa mitaky ireto fianakaviana ireto ny hamerenan’ny fitsarana ao am-ponja olona iray izay navoakan’ny fitsarana amin’ny alalan’ny fahafahana vonjimaika. “Tsy misy dikany amin’ny fitsarana eto Ambovombe ny ain’ny zanakay maty. Vonjeo izahay ry Fitondram-panjakana fa voahitsakitsaky ny fitsarana eto Ambovombe ny zonay”, izay no naverimberin’ireto fianakaviana ireto. Raha nanontaniana ny solontenan’ny fitsarana, dia milaza fa resaka fandratrana tsotra no nanenjehana ity olona takian’izy ireo ity fa tsy resaka vono akory. Izay no namotsorana azy. Ny tompon’ny maty sy ny vavolombelona anefa miziriziry fa an’isany namono io lehilahy io. Raha ny filazan’ny nahita dia toa hoe nanao fety ity olona ity rehefa nivoaka ny fonja. Izany hoy ny mana-manjo no tsy tantinay ka mba tsy hisian’ny fitsaram-bahoaka dia aleo aloha izahay hitaky am-pilaminana ny hamerenana azy ao am-ponja. Raha tsiahivina mantsy dia ny 17 jona lasa teo no novonoin’olona enin-dahy ho faty ny vehivavy iray. Tamin’ny fomba feno habibiana satria dia vely famaky sy antsy lava no namonoana azy. Taorian’ny fitsarana dia nampidirina am-ponja vonjimaika izy enina. Ny 19 septambra teo anefa dia voalaza fa toa hoe navoaka ilay olona tena namono. Ka io no nahatonga izao fitokonana izao. Ho an’ny olona ao Ambovombe dia tokony hojeren’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) izao fandehan-javatra izao, mba tsy hilazana fa ny antony angatahan-dry zareo fahaleovantena dia mba hahafahany manao ny toy izao.

A.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici