- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAMORON’I MANIA : « Alliance Française » – Ambositra Mankalaza ny «...

AMORON’I MANIA : « Alliance Française » – Ambositra Mankalaza ny « fête de la musique »

Toy ny  isan-taona amin’ny volana jiona, dia mankalaza  ny “fête de la Musique” ny ao amin’ny « Alliance Française ». Hetsika ara-koltoraly tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny sehatra zavakanto sy fanomezan-danja ireo mpanakanto vao misondrotra. Fampiroboroboana ny sehatra zavakanto izay nanomboka ny asabotsy 16 jiona ary haharitra herinandro, ka hahitana hetsika maro samihafa, toy ny mozika isan-karazany,  ny dihy ary ny « théâtre » sy ny « atelier » mahakasika an’izany. Misy ihany koa ny fampahanfantarana ireo fitaovana isan-karazany, na ny « instruments » ampiasana  amin’ireo mozika isan-karazany.  Ny tontolon’ny mozika izay sehatra iray ivondronan’ireo artista avy eto amin’ny faritra sy ireo avy any ivelany ao anatin’ny fahasamihafana, ny  firaisankina sy fifanakatiavana, ary ny fizarana ny  traikefa. Marihina fa noho izao ezaka izao, dia tsy vitsy ireo artista avy eto an-toerana no efa manana ny lazany manerana ny nosy sy any ampitan-dranomasina any .

Anastase

Sary tahiry “ny 26 jiona tamin’ny taon-dasa tarihin’ny “préfet d’Ambositra”. (sary Anastase )

Fankalazana ny fetin’ny  26  jiona

Prefektioran’ Ambositra, mbola tsy tonga  ny subvention”  avy amin’ny fanjakana  foibe

Herinandro latsaka dia  ho tonga ny fankalazana ny fetin’ny faha-58 taona nahazoan’ ny Nosy ny fahaleovantena, ka hankalazaina amin’ny fomba manetriketrika. Fantatra nandritra ny resaka nifanaovanay tamin-dramatoa “Prefet d’Ambosira” fa sahiran-tsaina ity tompon’andraikitra ambony ity, fa mbola tsy tonga ny “subvention” avy amin’ny fanjakana foibe natokana ho amin’izany. Voatery, hoy ihany ity solontenan’ny fanjakana foibe eto Ambositra ity, ny hanao antso avo ho amin’ireo mpisehatra eo amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanomezana tanana hanatanterahana an’ity fety ity. Nomarihin’ny “préfet d’Ambositra”, fa vao tsy ela akory no naloa ny vidin’ny “reception” natao tamin’ny 26 jiona taon-dasa. Raha eo anivon’ny distrika sy ny kaominina, hoy ireo lehiben’ny tanàna, toa efa mahazatra izao toe-javatra izao, ka matetika, vaotery ireo tomponandraikitra mamoka vola am-paosiny. Mifanohitra amin’izany ny zava-misy ao amin’ireny ministera maro sy  ireo andrim-panjakana samihafa afaka mankalaza izany amin’ny vola efa eo am-pelatanany izy ireo.

Anastase            

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici