- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversALAOTRA MANGORO : Raikitra ny foara «ZAMA»

ALAOTRA MANGORO : Raikitra ny foara «ZAMA»

Samy resy lahatra ny rehetra fa haverina amin’ny maha tsenabe mampalaza an’Alaotra Mangoro azy ny tsenabe ZAMA,  na  Zina Alaotra Mangoro, ny faha  6 ka hatramin’ny faha  10 jolay 2016 izao .Tsara  rahateo ny vokabary aty Alaotra amin’izao fotoana izao ka nankasitrahan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny io volana hanaovana ny tsenabe io, satria eo ny vahoaka no tena manambola, hoy ny fanazavana . Haverina avokoa ny fampirantiana ireo karazana biby mampalaza an’Alaotra Mangoro ,  ny voay, ny bandro , ny lambo, ireo bibilava, ny vorona  sy ireo karazam-biby maro ,ny karazana vokatra maro ,ireo karazana harena sarobidy  na an-tanety na anaty rano ,hisy ihany koa ny fampirantiana ireo fitaovana fampiasan’ny tantsaha ,izany hoe hialana ny hoe tsenaben’ny lamba fotsiny .Eto an-tampon-tananan’Ambatondrazaka no hanaovana ny lanonana rehetra ka ny faha 7 jolay dia efa hisy ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ity tsenabe ity ary ny Asabotsy no fanakatonana ny lanonana .Tsenabe hifantoka amin’ny vokatra  sy ny harena aty Alaotra Mangoro ity tsenabe ZAMA ity ka hanasana  ny rehetra hoy ny tompon’andraikitra.

Janus R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici