- Publicité SW45 -
dimanche, janvier 5, 2025
AccueilFaits-DiversAMORON’I MANIA Ambositra : Didimpoitra nivadika ho zava-doza, tapaka tanteraka ny...

AMORON’I MANIA Ambositra : Didimpoitra nivadika ho zava-doza, tapaka tanteraka ny filahiana’ilay zaza

Sahiran-tsaina mafy ity fianakaviana iray ity, izay mipetraka tsy lavitrin’ Ambositra noho ny zavatra nahazon’ny zanany lahy kely tsy fidiny nataon’ny mpitsabo (infirmier) iray  niasa tao amin’ny hopitaly  ben’ Ambositra.

Ny voalohandohany volana septambra lasa  teo, dia nitsanganana zavatra mampalahelo ity fianakaviana iray ity, izay nitondra ny zanany lahy kely  2 taona tamin’ny hopitaly ben’Ambositra, natao didimpoitra .  Loza no nitrangana raha nampiasa irony fitoavana «  à l’américaine » irony ny mpitsabo, ka tsy nandeha araka ny tokony ho izy ilay fitaovana nampiasainy, ka  lasa bory tanteraka ilay filahian’ilay zazakely, hoy ilay raim-pianakaviana nitantara ny zava-nanjo taminay. Soa ihany, fa mbola nisy ny lavaka kely afahan’ilay zazakely mivalan-drano.

Araka ny filazan’ity raim-pianakaviana ity ihany, dia lasa nitsaoka ilay  mpitsabo (infirmier), ka tsy eto Ambositra intsony, ary tsy hita izay toerana nalehany. Voatery izany, ity fianakaviana ity nametraka fitoriana amin’ireo tomponandraikitra isam-baratonga mahefa hanavotana ilay zanany izay tsapany fa efa simba sahady  ny ho avin’ilay zanany kely amin’ny maha lehilahy azy. Torohevitra no nomen’ny dokotera iray ho an’ilay fianakaviana, fa tsy maintsy miatrika fandidihana ilay zazakely hanavotana azy, kanefa ny ho entin- manana eo am-pelatanan’izy ireo,  tsy misy noho ny fahasahirana misy. Natao ity didi-poitra ity ho fanalana fasahirana, kanjo loza no naterany vokatry ny ankasoparany nataon’ity mpitsabo (infirmier) ity.

Koa manao antso ho an’ireo olona tsara sitrapo ity fianakaviana ity, mba  hanampy azy ireo.

Anastase

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici