Ho tanteraina ny faha 10-11 jiona ho avy izao, eto Ambositra, renivohitrin’ny faritra Amoron’i Mania, ny Tsenabe « Zemona » andiany voalohany ary nampitondraina ny teny filamatra hoe « zay mamokatra no zemona » na ihany koa hoe : « zay mamokatra no voky ».
Vokatra andrasana. Hetsika ara-toekarena k arakarain’ny faritra Amoron’i Mania ho fanamorana sy fandrindrana ny fampiroboroboana ny sehatrin’ny fambolena, fiompiana sy ny jono fa indrindra ireo vokatra mampalaza ny faritra, toy ny tantely, ny vaotabia, ny fary, ny voasary, ny akoho gasy, sns. ary tohanan’ny mpiara miombonantoka maro,ka anisan’ny voalohany laharana amin’izany, ny fandaharanasa Matoy na « Miara-miasa ho Antoky ny TOekarena ifotonY » vatsin’ny governemanta Soisa . Tsenabe « Zemona » izay sehatra iray natao hihaonan’ireo mpandraharaha mpividy ny vokatra avy amin’ny faritra maro manerana ny nosy sy ireo tantsaha mpamokatra ary ny tantsaha mpamokatra samy tantsaha mpamokatra eto amin’ny faritra Amoron’i Mania, amin’ny alalàn’ireo tranoheva isan-karazany izay miisa 50 mahery sy ireo dinika maro samihafa toy ny « conférence-débat », ireo fampitam-baovao sy traikefa isan-karazany, vokatrin’ny andrana sy fikaroana ,ka andraisan’ireo mpisehatra maro anjara, ka anisan’izany ireo mpiara miombonantoka ara-teknika sy ara-bola, ireo mpandraharaha, ireo vondron’ny tantsaha ary ireo sampandraharaham-panjakana isan-tokony. Ireto farany izay natao mba hanamora ny dingana rehetra ho atao amin’ny famolavolana tetikasa maro izay ho vinavinaina eo amin’ireo mpandraharaha andaniny sy ireo tantsaha mpamokatra ankilany. Izany raha teo ny vokatra andrasana aorian’ity Tsenabe « Zemona » ity ho fanatanterahana ny teny filamatra hoe « zay mamokatra no zemona. ».
Anastase