- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAMORON’I MANIA : Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Lany ho filoha ...

AMORON’I MANIA : Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Lany ho filoha Rabenarivo Fenolaza avy amin’ny « collège des commerçants ».

“ Atoa Rabenarivo Fenolaza, filohan’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria Amoron’I Mania” sary Anastase

Tontosoa ny  29 mey lasa teo, teto Ambositra, tao amin’ny  efitranon’ ny  antenimieran’ny varotra sy ny indostria  Amoron’i Mania, ireo mpikambana ho birao maharitra  hitondra an’ity  rafitra ity.

Fito. Misy  raopolo ireo mpikambana lany avy ao amin’ny birao telo, dia Ambositra, Fandriana, Manandriana, ka izy ireo no nandray anjara tamin’ny fifidianana izay  ho mpikambana amin’ny birao maharitra, ka lany ho filoha tamin’izany  Atoa Rabenarivo Fenolaza avy amin’ny « collège des commerçants  Mitraka  Amoron’i Mania »,  filoha-lefitra telo, dia Rakingasikara « collège des Industrie  Fivoy », Rakotonomenjanahary  Marc  Rajaobelina « collège des commerçants  Miatrika Amoron’i Mania » sy Ravololoarinoro Zaranirina « collège des prestataires  Fivoy » ;  ary mpanolotsaina telo, dia Randriamaromisanarivo  Fidelis  «  collège des industrie Ny Fandrosoana »,  Andriamanampisoa  Joelisoa « collège des préstataires  Miavotra » ary Andriamanohifitia Thomas Paul «  collège des commerçants Mitraka Amoron’i Mania.  Fito araka izany ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Amoron’i Mania.

Fiofanana. « Izao fifidianana natao izao, dia tsy tanjona akory, fa dingana iray », hoy Ramatoa Hanitriniala Aimée, talem-paritra ny varotra  Amoron’i Mania, fa ny tanjona, dia ny fampiroboroboana ny sehatry ny varotra sy ny indositra eto amin’ny faritra. Ho fanohizana sy fanatsarana ny ezaka rehetra, dia nangataka ny filoha vaovao mba hisian’ny fiofanana  manokana ho an’ireo mpikambana amin’ny fanatanterahana ny asany. Nanatrika izao fifidianana izao, ny sekretera jeneraly ny fileovana eto Ambositra.

Anastase

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici