Mangataka ny fisondrotana ny “pension des combattants nationalistes 1947-1948 ».
Miaina ao anatin’ny fahasahirana maro samihafa mianjandy amin’izy ireo, ankehitriny ireo mpiady tranainy tia Tanindrazana, raha tsy hitanisa ny tsy fahasalamana vokatry ny fahanterana. Noho izany, dia nandefa taratasy tamin’ny filoham-pirenena malagasy ireo mpiady tia tanindrazana sisa tavela ao anatin’ny fikambanana « Miara-Mandroso » monina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antoetra-Zafimaniry, ao anatin’ny distrikan’Ambositra, faritra Amoron’i Mania, izay miisa 13 ka tarihin’ny filohany Rakotopela.
600 000 ar. Voalaza ao anatin’izao taratasy nalefa ho an’ny filoham-pirenena malagasy izao, fa maiana ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka izy ireo miady amin’ny aretina maro samihafa vokatry ny fahanterana, ka vitsy sisa no mbola velona amin’izy ireo. Koa eo anatrehan’ny kely sisa ananan’ny firenena azy ireo, dia mangataka izy ireo mba hasondrotra ho 600 000 ar isaky ny telo volana indray izao fisotroadronono « pension » raisin’izy ireo. Izany hoe 200 000 ar isam-bolana.
Misaotra ihany koa ny filoham-pirenena ireo be antitra amin’ny fisondrotana efa natao tamin’ny taona 2017, ka lasa 300 000 ar isaky ny telo volana.
Anastase