- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmoron’i Mania : Dokotera  Raketamalazamananirina  Yannette  Christiana, no voatendry ho talem-paritry ny fahasalamana...

Amoron’i Mania : Dokotera  Raketamalazamananirina  Yannette  Christiana, no voatendry ho talem-paritry ny fahasalamana vaovao

Tafapetraka eo amin’ny toerana maha talem-paritry ny fahasalamana eto Amoron’i Mania, ny Dokotera Raketamalazamananirina Yannette Christiana. Izany dia taorian’ny famindram-pahefana natao herinandro vitsy lasa izay.

Fantatra nandritra ny resaka nifanaovanay tamin’ny talem-paritra vaovaon’ny fahasalamana, fa ny ady amin’ny kolikoly sy ny aretina mifindra no  laharam-pahamehana apetraky ny Dokotera Raketamalazamananirina, ary koa ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana eo anivon’ny seha-pahasalamana rehetre misy eto Amoron’i Mania. Nosoritan’ny talem-paritra, fa efa voafehy ankehitriny ny firongatry  ny aretina kitrotro sy pesta ; izay nampalaza ratsy ny faritra Amoron’i Mania. Tsy afaka nanome tarehimarika mazava   ity tomponandraikitra ity, noho ny baiko avy amin’ny minisitera foibe. Araha- maso ihany koa, ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny hopitaly  sy ireo tobim-pahasalamana  rehetra misy eo  amin’ireo distrika, mba hiverenan’ ny fahatokian’ny vahoaka ka hanatona ny tobim-pahasalamana.

Mikasika ny aretina fikorontanan-tsaina izay tsapa fa mirongatra tokoa ny eto Amoron’i Mania, dia nosoritan’ny Doketera R.  Yanette Christiana, fa efa misy ny  sampandrahara manokana mikarakara ny aretina momba ny fikorontanan-tsaina eto amin’ny hopitaly-be Ambositra, ka entanina ireo fianakaviana manana olana momba izany,  hanatona ny CHRR- Ambositra ao amin’ny “Centre de Prevention et Diagnostic de Santé Mentale” na ny “CPDSM”.

Ady amin’ny tsy fanjariantsakafo, nohamafisina ny fepetra eny ifotony amin’ny fametrahana paikady  amin’ ny isam-baratonga, toy ny fanofanana ireo tomponandraikitra ara-pahasalamana  alohan’ny hidirana amin’ny tena  zava-dehibe.

Mikasika ny “fonds d’équité” na tahiry natokana ho an’izay olona sahirana momba ny fitsaboana, dia nosoritan’ny talem-paritra, fa efa mandeha ny fisoratana anarana eo  anivon’ny kaominina 61 misy eto amin’ny Faritra. Entanina arak’izany ny olona sahirana mba hanatona ny kaominina misy azy.

Eto  am-pamaranana,  dia nosoritan’ny talem-paritra, fa hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpanao gazety sy ny sehatra ara-pahasalamana.

Anastase

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici