- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAMORON’I MANIA / Fisorohana ny loza voajanahary : Tonga eto Ambositra ireo...

AMORON’I MANIA / Fisorohana ny loza voajanahary : Tonga eto Ambositra ireo fitaovana avy amin’ny BNGRC

Toy ny faritra rehetra manerana ny nosy, dia tonga eto Ambositra ireo fitaovana avy amin’ny BNGRC hiatrehana sy ho fisorohana ireo  loza voajanahary, toy “ camion pompier, camion benne, tractopel, ambulance” miampy  fitaovana samihafa toy ny tranolay, sns… Ho fanampiana ireo fianakaviana sahirana dia nisy vary 10 taonina ihany koa nalelefan’ny BNGRC. Momba ity farany ity, dia nanapakevitra ny “prefecture” fa hisy komity manokana hisahana ny fizarana ny vary, ka  ahitana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny voakasik’izany, ka vary 2 kilao isam-pianakaviana isanandro no hozaraina amin’izany.  Andrasana araka izany ihany koa ny anjaran’ny kaominina sasany ao anatin’ny faritra Amoron’i Mania ho fanampiana ireo fianakaviana sahirana.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici