- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAMORON’I MANIA ; Foibem-paritra momba ny fanjariantsako : Tafatsangana ny « groupe...

AMORON’I MANIA ; Foibem-paritra momba ny fanjariantsako : Tafatsangana ny « groupe régional de suivi-évaluation ».

“Atoa Rakotomanankiafarana Joël, lehiben’ny faritra Amoron’i Mania (eo ankavia) sy Atoa Rajaonarivony Julien Bernard, talem-paritry ny ORN- Amoron’i Mania (ankavanana) nanatontosa ny fananganana ny “GRSE” “. Sary Anastase

Ho fanatevenana ny « plateforme régional de nutrition » eo anivon’ny foibem-paritra momba ny fanjariantsakafo-Amoron’i Mania, dia tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ny faha-13 desambra lasa teo, teto Ambositra, renivohitry ny faritra , ny « groupe régional de suivi-évaluation » na ny « GRSE », ka ny lehiben’ny faritra Rakotomanankiafarana Joël no mitarika an’izany.

Zava-dehibe ny nahavitana izao dingana izao, hoy Rajaonarivony Julien Bernard, talem-paritra ny “ORN” eto Amoron’I Mania. Satria io “GRSE” io  no mandrindra sy mampitambatra ireo mpisehatra marolafy eo anivon’ny sehetra fanjariantsakafo ary mamoaka ny antontan’isa momba ny asa rehetra amin’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo. Miisa 18 ireo mpikambana ao anatin’ny “GRSE”.

Hetsika . Ny alakamisy faha-14 desambra izao no hotanterahina eto Ambositra ny hetsika tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo. Hetsika fanentanan-kafatra faobe mampiseho ireo torohevitra momba ny karazanan-tsakafo ara-pahasalamana mandavan-taona, fa indrindra amin’izao fotoam-pahavaratrra izao, amin’ny fomba tsotra nefa mahomby ka ahitana ny otrikaina rehetra ilain’ny vatan’olombelona. Ankoatra ny fanentanana maro samihafa, dia hisy ihany koa ireo kojakoja an-dakozia hamidy amin’ny vidiny mirary amin’ny alalàn’’ireo tranoeva isan-karazany.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici