Tsy mitsahatra ny miroborobo ny voly vaonjo “Donga mena”, voly fanondrana amin’ny ilany anderefan’ny faritra Amoron’i Mania iny, fa indrindra ao amin’ny kaominina Mandrosonoro, ao anatin’ny distrikan’Ambatofinandrahana. Fantatra nandritra ity taom-pamokarana farany teo ity, fa tafakatra avo roa heny ny vokatra. Na dia eo aza izany dia mitarainana ireo tantsaha mpamokatra any an-toerana noho ireo olona maro samihafa misy, toy ny tsy fahandriam-pahalemana, ny faharatsian’ny lalana, ny fitontongan’ny vidim-bokatra ataon’ireo mpividy.
3000 taonina. Ho an’ity taom-pamokarana farany teo ity, dia nahatratra 3000 taonina ny voanjo “donga mena” ao amin’ny kaominina Mandrosonoro, raha 1500 taonina tamin’ny taon-dasa teo iny. Fantatra ihany koa, fa ny tetikasa “AROPA” vatsin’ny BAD (Banque Africaine de Développement) no nanampy an’ireo tantsaha tamin’ny fanomezana masomboly 15 taonina sy ny fanaovana ny asa tany amin’ny alalàn’ny “tracteur”. Mitaraina ireo tantsaha mpamokatra fa mihena ny vidim-bokatra ataon’ireo mpividy sinoa. Ireto farany izay nanazava, fa ny mahatonga izany dia vokatry ny haba takian’ny fanjakana amin’ireo sinoa amin’ny fandefasana ny entana (exportation) izay tsy mitsahatra miakatra. Ao ihany koa ny fiakaran’ny saran-dalàna ateraky ny faharatsian’ ny lalana, ny tsy fandriam-pahalemana.
Fifindra-monina . Noho ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny faritra Amoron’i Mania sy ny fandaharanasa “Matoy” dia tafapetraka ao Maroanakomby-Mandrosonoro, tamin’ny taona 2014 iny, ny toby misy ireo mpifindra monina izay tsapa fa miroborobo fatatra amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana.. Fianakaviana an-jatony no efa nifindra monina any Maroanakomby amin’izao fotoana izao. Mbola mitohy ny ezaka amin’izao fotoana izao ataon’ny faritra Amoron’i Mania sy ireo mpiara-miombona antoka aminy ho fanatanterahana ny politikan’ny fifindra-monina antoky ny fampandrosoana maharitra ny faritra.
Anastase