Tsapa tato ho ato, fa mitombo an’isan’ireo olona voan’ny aretina fikorontanan-tsaina eto Amoron’i Mania, tsy ny eto ihany, fa saika manerana ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy.
Amin’izao vanin’andro izao, dia tsy vitsy ireo olona, na lehilahy, na ny vehivavy, fa indrindra ny tanora no voan’ny aretina fikorontanan-tsaina, betsaka ny fomba fisehoany, araka ny karazan’aretina misy. Ny mahatonga an’izany amin’ny ankapobeny, dia noho ny fahasarotan’ny fiainana misy eo anivon’ny fiaraha-monina. Ao ireo mpisotro sy mpifoka zavamahadomelina, izay mampalaza ratsy an’ity faritra ity. Deraina manokana ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny ady amin’ny zavamahadomelina, toy ny toaka sy rongony.
Fa ny mifanohatra amin izany, dia hita fa tsy ampy ny paikady napetraky ny fanjakakana foibe eo anivon’ny faritra sy ny vondrom-bahoaka itsijaram-pahefana (faritra, kaominina) eny ifotony, amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary voan’ny aretina fikorontanan-tsaina, ka lasa mifanilika andraikitra ireo tompon’andraikitra, ka lasa miraviravy tanana ny fokontany sy ny fiaraha-monina amin’ny fandraisana ny fepetra tokony horaisina amin’ny toe-javatra toy itony.
Profon’izany, tsy vitsy ihany koa ireo olona voan’ny fikorontanan-tsaina voatarika ao anatin’ny herisetra mahery vaika eo anivon’ny trangam-piaraha-monina, ka lasa fahavalom-bahoaka. Ka atahorana amin’izany ny fisian’ ny disadisa sy ny ain’ireo mponina, sy ireo olona voan’ny aretin-tsaina noho izy tsy tomponandraikitra amin’ny fandikan-dalàna nataony.
Anastase