Seha-pihariana landy be, misedra olana ireo mpanao asa tanana.
Anisan’ny mampalaza ny kaominina Soatanana, ao anatin’ny distrikan’i Manandriana, faritra Amoron’i Mania, ireo mpanao asa tanana amin’ny seha-pihariana landy be. Misedra olana ankehitriny ireo mpanenona, amin’ny famatsiana akora, noho ny tsy fahandriam-pahalemana.
240 . Misy eo amin’ny 240 mahery ireo mpanenona amin’ny kaominina Soatanana, izay mivondrona ao anatin’ny fikambanana miisa roa, dia ny fikambanana Tambatra sy Firaisankina. “Vokatry ny tsy fahandriam-pahalemana misy”, hoy ny filohan’ny kaoperativa tambatra, Rasoamalala Marie Françoise, dia misedra olana amin’ny famatsiana akora fototry ilaina amin’ny fanaovana lamba landy ireo mpanenona. Any Ambatofinandrahana no misy ny akora ilaina amin’izany, nefa sarotra ny mitango azy any antain’ny alà any vokatry ny fisian’ireo dahalo mpandroba ireo mpanangom-bokatra. Vitsy araka izany ireo akora sady miakatra ny vidiny (40 000 ar ny iray kilao).
Varotra. Raha amin’ny lafiny varotra indray, dia mbola saika any an-toerana avokoa ireo mpanenona no mampiranty sy mivarotra ireo vokatra vita amin’ny landy be, toy ny lambamena, ny lamba firakotra sy ny kojakoja isan-karazany ho an’ireo mpizaha tany mandalo, Malagasy sy Vahiny tonga mitsidika. Mbola tsy manondrana entana any ivelany ireo mpisehatra, fa miezaka manatsara ny tsena anatiny, toy ny ao Ambositra sy ao Antananarivo.
Fizahan-tany. Ankoatra an’izany, dia mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny kaominina ihany koa ireo mpanao asa tanana amin’ny fanamboarana lalana ho fampivoarana ny fizahan-tany.
Anastase