- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmpahibe : Efa tafiakatra amina miliara ny halatra, efatra nigadra

Ampahibe : Efa tafiakatra amina miliara ny halatra, efatra nigadra

Hain’ny Malagasy ny mangalatra! Ary mahay mifanaraka ny olona rehefa misy tombontsoa iraisana ka mahakasika vola izany. Izay no azo handikàna ity tranga ity. Orinasa tsy miankina izay mivarotra fitaovana ilaina amin’ny solosaina no sehatra nisian’ny halatra. Mpiasa eo anivony ihany no tompon’antoka tamin’izany. Niainga tamin’ny fanamarinana tampotampoka izay nampanaovin’ny tompon’ny orinasa no nahasarona ny zava-drehetra. Tao anatin’izay no nahitàna fa nisy solosaina karazany maromaro sy imprimante izay mitotaly 230 tapitrisa ariary ny teti-bidiny tsy hita tao amin’ilay orinasa. Nipetraka teo ny fitoriana ary nanomboka teo koa no nohenoin’ny polisy ny mpiasa maromaro teo anivon’ilay orinasa. Ny tompon’andraikitry ny entana sy ny fitaovana (logisitique) no nosamborina voalohany rehefa nandeha ny fanadihadiana. Io indray avy eo no nanoro ny namany ary tsy lasa lavitra fa mbola mpiara-miasa aminy ihany koa no nosamborina. Vehivavy roa mbola tanora izay tompon’andraikitry ny fanentanana ara-barotra (commerciale) ary mpiambina iray indray teo no nosamborina. Efa hatramin’ny taon-dasa no namoahan’ireo olona ireo tsikelikely ny entana tao amin’ny orinasa ary izy ireo no miray tsikombakomba amin’izany. Tsy maka lavitra koa ireo amin’ny fomba hamarotana an’izany satria mampiasa tambajotra sosialy dia amidy amin’ny alàlan’izany. Matetika dia lehilahy iray izay monina eo Antanimena no mpandray ny entana. Io koa dia nokarohin’ny polisy tao amin’ny misy azy saingy tsy tratra intsony. Efa samy nahavita trano na farafaharatsiny nividy fiara avokoa ireo efatra mianadahy izay voasambotra. Rehefa nandeha anefa ny fanadihadiana dia nogiazana avokoa ireo fananana vokatry ny halatra ireo ary nidoboka am-ponja eny Antanimora izy efatra mianadahy rehefa avy natolotra ny fampanoavana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici