- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpahibe : Fandrobana tranona karàna, tadiavin’ny pôlisy fatratra i Lucien

Ampahibe : Fandrobana tranona karàna, tadiavin’ny pôlisy fatratra i Lucien

Rangahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Ramanandraisoa Jean Baptiste Lucien, antsoina amin’ny anarana hoe Lucien, 48 taona, no fantatra fa karohin’ny pôlisy fatratra amin’izao fotoana izao. Voarohirohy tamina resaka fandrobana tranona teratany karàna, nitranga ny harivan’ny alarobia lasa teo teny amin’iny faritra Ampahibe iny ity olona ity. Fantatra fa mpamilin’ny tompon-trano ary nanjavona niaraka tamina fiara tsy mataho-dalana iray marika « Mazda BT 50 » mitondra ny laharana 6979 TBD niaraka tamin’ireo entana rehetra lafo vidy tao an-trano, izay tombanana any an-tapitrisany maro any izy. Tsy vitan’izany fa mbola very tamin’io ihany koa ny antontan-taratasy rehetra mahakasika ireto fianakaviana karàna ireto. Araka izany, miantso izay olona mahita an’Ing. Lucien ny mpitandro filaminana mba hisambotra sy hanolotra azy amin’ny mpitandro filaminana akaiky azy, na hiantso ny laharana 0340552902 – 0340551726.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici