- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAmpahimanga Arivonimamo : Tokantrano in-droa novakian’ny jiolahy

Ampahimanga Arivonimamo : Tokantrano in-droa novakian’ny jiolahy

Nielanelana iray andro monja ity vaky trano nihatra tamin’ity tokantrano iray, tany amin’iny faritra Ampahimanga Arivonimamo iny. Ny voalohany ny talata lasa teo, rehefa tsy nisy olona tao an-trano. Hany ka nanao izay danin’ny kibony nibata izay zakany ireo olon-dratsy, rehefa novakiany ny trano. Tonga tany am-poto-tsofin’ny tompon-trano ny vaovao ratsy ka nisy tamin’izy ireo no nidina tany an-toerana nijery ny zava-nisy. Ilay raim-pianakaviana kosa dia nanapa-kevitra ny haka alika mpitsongodia. Mbola niandry iray andro taty an-drenivohitra anefa ity farany. Tamin’izay indray no niverenan’ireo olon-dratsy ilay trano, ka nisy ireo entana tsy zakany tamin’ny voalohany no nalainy. Ambonin’ny fakàna ilay alika, dia nisy ihany koa ny fametrahana fitarainana nataon’izy ireo tany amin’iny zandary. Fantatra fa nisy olona efatra nosamborina tamin’ity raharaha ity. Efa samy natolotra ny Fampanoavana izy, ka samy nahazo fahafahana vonjimaika avokoa. Araka ny fampahafantarana nomen’ireo fianakaviana niharam-boina dia mirongatra tanteraka mihitsy ity resaka hala-botry sy vaky trano ity any an-toerana, ka miantso ny tompon’andraikitra amin’izany mba hijery akaiky, fa tena fijaliana ny amin’ireo mponina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici