- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmpahimanga : Raim-pianakaviana maty nokapain’ny dahalo tamin’ny famaky

Ampahimanga : Raim-pianakaviana maty nokapain’ny dahalo tamin’ny famaky

Habibiana mihoa-pampana indray no nahazo ny fianakaviana iray tao Mamoladahy, kaominina Ampahimanga, disitrika Arivonimamo, ny alin’ny zoma lasa teo. Rehefa tsy nahita izay zavatra azo nalaina tao amin’ity tokantrano iray ity mantsy ireo dahalo am-polony nanafika, dia izy mivady no nanamparan’izy ireo ny hatezerany. Maty nokapain’izy ireo tamin’ny famaky ny raim-pianakaviana, raha naratra mafy kosa ramatoa vadiny. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina latsaka tany ho any no tonga tamin’io tokantranona mpamboly, ireo ny andian-dahalo, tokony ho fololahy teo ho eo, nirongo zava-maranitra. Talohan’ny nidiran’izy ireo amboletra dia norarafany tamin’ny tora-bato aloha ilay trano, ary novakiany tamin’ny famaky ny varavarana nony avy teo. Misy rihana ity trano ity ary varavarana tao ambany io nanaovan’izy ireo amboletra niditra io. Tsy nahita olona, tsy nahita n’inona n’inona azo nalaina tao amin’io ambany rihana io anefa ireto olon-dratsy ka nirohotra niakatra tany ambony rihana, izay nisy ny efitr’izy mivady. Tsy nisy resaka teo fa avy hatrany dia nampiasa hery ireto dahalo. Nokapainy tamin’ny famaky ilay rangahy tompon-trano, ary namoy ny ainy teo  no ho  eo. Nahazo ny anjarany ihany koa ramatoa vadiny, saingy nahay nihilana ka naratra teo amin’ny handriny. Manodidina ny 56 taona eo ho eo ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity, raha 62 kosa ramatoa vadiny. Rehefa hitan’ireto olon-dratsy fa tsy misy manohintohina intsony ny fanaovan’izy ireo asa ratsiny, dia nanao izay danin’ny kibony nibata izay zakany izy ireo. Nisy ny vola very, saingy mbola tsy fantatra ny totaliny, raha ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary. Amin’ny toe-javatra toa izao koa moa, dia ny findain’ny tao an-trano no nahorin’ireto olon-dratsy ireto voalohany indrindra, mba tsy hahafahan’ireo voatafika miantso vonjy. Efa lasa ireto andian-dahalo ireto vao nisy nampandre ny zandary, izay tonga haingana teny an-toerana. Natao avy hatrany ny fanaharan-dia sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza, izay nataon’ireo zandary avy ao amin’ny poste avancé ao Ampahimanga, nampian’ny avy ao amin’ny borigady Arivonimamo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici