- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanataovana Antsirabe : Ankizy 30 mahery narary mafy nihinana voan-javatra tsy fantatra

Ampanataovana Antsirabe : Ankizy 30 mahery narary mafy nihinana voan-javatra tsy fantatra

Ankizy maherin’ny 30  be izao no indray narary saika maty vokatry ny fihinanana voan-javatra tsy fantatra tao amin’ny fokontany Ampanataovana Antsirabe. Tamin’ny sabotsy teo no nisehoan’ity tranga ity. Amin’ny maha andro tsy fianarana  dia fanaon’ireo ankizy no mifampitaona milalao baolina eo amin’ny toerana iray tao Ampanataovana tao. Raha ny fanazavana voaray, tafiditra tao anaty fefin’olona ny baolina nolalaovin’izy ireo. Zazalahy iray no naka azy tao ary nahita ity voan-javatra hafahafa ity ka nohaniny avy hatrany, niantso ireo namany izy avy eo nanondro ilay voan-javatra ary samy nihinana teo avokoa ireto ankizy ary samy nankafy avokoa fa nambarany fa mitovitovy amin’ny voanjo ny tsirony. Fotoana vitsy taorian’izay, nanomboka nitaraina ny sasany fa malemileny sy fanina, tao ny nandoa avy hatrany fa tsy nahazaka. Saika mitovitovy avokoa ny fisehon’ny aretina ka ireo tsy nandoa no tena voa mafy sy nalemy tanteraka, maro no saika tsy avotra intsony ny ainy raha tsy tonga haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Maro tamin’ireo ray aman-dreny moa no voalaza fa tonga teny an-toerana nijery ilay voan-javatra  ary nisy nilaza fa mitovy amin’ny voan-tanatana-manga ilay voan-javatra.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici