Ny lalam-pirenena faha-2 mbola tsy dia lavitra loatra an’ Antananarivo (PK13+950) no nisehon’ ny fifandonana . Fiara tsy mataho-dalana 4×4 iray no nifandona tamin’ ny taxi-brousse, potika tokoa ny lohan’ ireo fiara roa nifanena ireo ary olona telo no naratra ka nampidirana tany amin’ ny CSBII tao Ambohimangakely ihany. Fandehanana mafy matetika no mahatonga ny loza, satria malalaka no sady tsara mantsy ny arabe, koa dia mananararaotra izany ireto mpamily. Ny loza anefa tsy mba mampiomana fa dia voa foana matetika vao taitra na izany aza anefa dia mafimafy ihany ny fahasimbana teo amin’ izy roa tonta, ny maratra kosa dia efa nody .
Articles qui pourraient vous intéresser