Fahavoazana goavana tokoa no nahazo ireto fiara roa nilahatra nijanona nifanao aloha sy aoriana. Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo no nisehoan’izany. Rehefa avy nandona ireo fiara roa ireo ilay fiara tsy mataho-dalàna dia rifatra nitsoaka.
Marihin’ny nanatri-maso anefa fa voarain’ilay mpiandry “Parking” ny laharan’ilay fiara nahavanon-doza io ary efa any amin’ny manam-pahefana ny fikaroahana azy. Niandry ihany moa ireto tompon’ny fiara simba ny mba hahatonga saina ilay mpamily namoa-doza saingy tsy hita hatramin’izao ary tsy niverina ihany koa. Ary efa nanatona ny toeram-piantohana “Assurance” saingy mbola tsy tonga nanao fanambarana tany ilay fiara nandona. Koa manolona izany dia manaitra ilay mpamily nahavanon-doza ny tompon’ireo fiara simba ireo mba hanatonany azy ireo, ka tsy hitaran’ny raharaha ho eny anivon’ny fitsarana, satria fiara mpitatitra avokoa ireo voadona ireo.
ALEM