- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmpandrana : « 4x4 » nifaoka moto, nirifatra lasa nitsoaka

Ampandrana : « 4×4 » nifaoka moto, nirifatra lasa nitsoaka

Saika nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teto an-drenivohitra. “Moto scooter” iray sendra nandeha, noho ny làlana malaman’ny orana, no nofaohin’ny fiara tsy mataho-dàlana iray. Soa fa nahay niala kosa ilay nitondra ilay “moto” ka voasoroka ny loza. Tsy naratra ny tenany saingy folaka noho ny fianjerany. Ilay “moto” kosa, izay nipitika efa ho 5 metatra niala teo amin’ny toerana naha-voadona azy dia potika tanteraka tsy nisy nahafantarana azy intsony. Tetsy ankilany, ilay fiara nandona kosa tsy mba nijanona nijery ny nanjo ity olona niharan-doza fa avy hatrany dia rifatra lasa nitsoaka. Tsy fantatra mazava raha natahotra ny ho fisian’ny fitsaram-bahoaka ity farany na efa tena fanamparam-pahefana tsotra izao no nahatonga azy tsy nandray ny andraikitra tandrify azy. Ireo rehetra nanatri-maso ny zava-niseho samy tsy nisy nankasitraka ny fitsoahan’ity mpamily “4×4” ity. Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny hametraka fitoriana ny tompon’ilay “moto” voadona.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici