- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpandrana Besarety : Mpanao gazety naratra, voatafika tao an-tranony

Ampandrana Besarety : Mpanao gazety naratra, voatafika tao an-tranony

Tohatra nampiasain’ireo olon-dratsy nidirana tao an-tranon’ity mpanao gazety.

Toy ny olon-drehetra, lasibatry ny mpanao ratsy ihany koa ny mpanao gazety mpikirakira trangam-piarahamonina. Tokatranon’ny namana iray tetsy Ampandrana Besarety no notafihan’ny olon-dratsy, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Soa ihany fa tsikaritry ny tompon-trano ny fidiran’ity olon-dratsy tao an-tokantranony ka nahafahany nanohitra. Nitsoaka, tsy nahazo na inona na inona araka izany ilay mpanafika. Na izany aza, naratra teo amin’ny molony ity mpanao gazety ity.

Araka ny fitantarany, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any no naheno zavatra nidoboka tany an-tokotany ny tenany, ary nifoha. Tany ambony rihana no nisy azy ka ny handeha hijery izay zava-nisy teo amin’ny varavarankely no natao. Tamin’izay indrindra anefa no nifanena tampoka tamin’ilay olon-dratsy handeha hitsofoka ao an-tokantranony ny tenany. « Handeha hanao hamboletra hitsofoka teo amin’ny varavarakely izy no nanatona aho na dia taitra ihany aza. Ary iny izao nanatona iny no avy hatrany dia voadaroka. Nahay niala fa voa ihany anefa ny vavako. Tamin’izay fotoana izay dia nahafahako nitsipaka azy, hiverina. Nitsingidina tany ambany. Nitsoaka nanao tongotra an-katoka, raha nikasa ny hivoaka hanenjika azy aho », hoy ny fitantarany.

Mifefy soa aman-tsara ny tranon’ity mpanao gazety ity, saingy mbola tafiditra tsy nisy naheno ilay mpanafika. Ary ny nahazendana dia nahavita nitondra tohatra lavabe mihitsy, handeha hihanihany, hidirana teo amin’ny varavarankely teny ambony rihana. « Varavaram-pitaratra, tsy misy « grille » ny any ambony rihana, ka noheveriny fa ho mora ny hidirana ao an-trano », hoy ny fanazavana.

Na dia azo lazaina fa tsy nahazo na inona na inona sy tsy nahatanteraka ny fanafihana nataony aza izany olon-dratsy izany dia mampanahy ihany ny toe-javatra tahaka izao. Ekena fa olona eny anivon’ny fiaraha-monina ny mpanao gazety ary mety ho lasibatry ny tranga tsy fandriam-pahalemana tahaka ny rehetra ihany koa. Na izany aza, raha ny fiomanan’ity mpanafika ity, izay miaraka amin’ny tohatra mihitsy, dia azo heverina ihany fa mety ho efa nokendrena manokana ity namanay ity. Tsiahivina fa vao tsy ela ihany koa izay no nisy mpanao gazety, niharan’ny fanafihana tetsy Ambohimangakely. Soa ihany fa tsy tao an-toerana ity farany tamin’io fotoana io ary entana sy vola no lasa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici