- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpandrana : Fatim-biby hafahafa nahagaga ny olona

Ampandrana : Fatim-biby hafahafa nahagaga ny olona

Tranga hafa kely izay nanahirana ny sain’ny olona maro teny Ampandrana, akaikin’ny Rasalama omaly maraina tokony ho tamin’ny 07 ora teo.

Sady tsy kisoa no tsy alika, izany avokoa no nolazain’ny ankamaroan’ny olona izay sendra nandalo ka nahita ny fatin’ity biby ity. Gaga sy nanontany tena avokoa ireo olona, satria tena lehibe ilay biby maty ary tsy fantatra mazava hoe inona marina? Tsy fahita matetika koa ny zavatra toy izao ka niteraka resa-be tamin’ny mponina manodidina sy tao amin’ny tambazotra fifaneraserana. Samy nanana ny filazany avy  moa  ny olona, tao ireo nilaza fa alika vazaha ilay izy nefa toa ahitana endrika kisoa hoy ny sasany, tao ihany koa ny nilaza fa mety ho biby olona ilay izy. Dia mbola nitohy hatrany ny resaka, indrindra ho an’ireo nahita maso akaiky. Eo ireo milaza fa ohatran’ny tongotra kisoa mizara roa fotsiny no voamariny. Izany hoe, kitro fa tsy hoho  Ny lohan’ilay biby koa hafa mihitsy fa tsy toy ny alika na koa toy ny kisoa. Tsy fantatra hatreto izay tena marina. Ny hita amin’ny sary, efa natao tao anaty gony ilay zavatra no nisy namoaka tety ivelany indray avy teo. Dia mbola niitatra indray ny resaka fa toa hoe saika hisy hitondra ilay biby hafahafa. Tsy nisy sahy nilaza kosa anefa hoe, saika hisy hihinana. Koa satria nahatonga fitangoronan’olona maro be ilay izy no sady niteraka fofona maimbo be dia nandray andraikitra avy hatrany ilay mpivarotra sakafo masaka teo akaiky nampanala ilay izy teo amin’ny manodidina.

Antsa (stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici