- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmpandrana : Fiara roa voaroba amin’ny andro antoandro

Ampandrana : Fiara roa voaroba amin’ny andro antoandro

Tokony ho tamin’ny 12ora sy fahefany no nitranga ilay asan-jiolahy, teo amin’ilay fidinana amin’ny làlana « pavé »  mizotra mankany Andravoahangy ambony, raha avy any Faravohitra. Fiara roa nipetraka an-tsisin-dàlana no indray novakian’ny olon-dratsy. Lasa toa ny mahazatra ny “autoradio” sy izay entana tavela tao anatin’ireo fiara. Saingy ny tena nampalahelo ny tompon’ireo fiara, dia lasa ihany koa ny antontan-taratasy maro, ankoatra ny taratasin’ny fiara mantsy, dia nisy taratasin-tany nalain’ireo jiolahy ihany koa tao anatin’ny iray. Samy mba efa misimisy mpiambina ihany ny fiara antsisin-dàlana eto Andrenivohitra ary indrindra amin’iny faritra mafana iny, saingy mbola vitan’ireo olon-dratsy ihany koa ny manao ny asany. Faritra mena tanteraka raha ny eo Ampandrana izay nisehoan’ity fandrobana fiara ity. Tsy misy tsy mitaraina ny amin’izany ireo olona izay mody avy miasa ka mandeha amin’iny fiakarana iny, indrindra eo amin’ilay fiolahana mizotra mankany amin’ny sekoly Rafiringa. Misesy ny fanendahana ka raha ny tsikaritry ny manodidina, dia dimy lahy eo ho eo hatrany ny isan’ireo mpanao ratsy. Misy iray antsoina hoe Satrobory efa malaza ratsy eo amin’ny manodidina ary efa manomboka hain’ny olona ny tarehiny. Miakatra kely eo indray dia mbola faritra mena amin’ny asan-jiolahy ihany koa ny manodidina ny fiangonana katolika. Tsy vitsy ny voatsindrona antsy raha mihazo harivariva ny elakelan-trano, ary na eny amin’ny arabe aza amin’izao   fotoana, raha vao mody ny masoandro dia efa tsy misy olona sahy mandeha intsony. Inona ny fandrosoana azo vinaniana am’izany fiainana voafehin’ny asan-jiolahy izany. Voafetra tanteraka ankehitriny ny asa azon’ny olona atao, noho ny tsy fandriampahalemana. Azo raisina ohatra ny hoe, raha vao asa mody alina dia efa lavin’ny olona tanteraka noho izay antony izay. Vokatr’izany ihany kao dia lasa antoandro avokoa no mivangongo ny asa, hany ka lasa hipoka olona tanteraka Antananarivo ary mitohana ny fifamoivoizana mandritra ny andro. Voafetra tanteraka, arak’izay voalaza etsy ambony, ny fiharian’ny maro noho ny tsy filaminan’ny tany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici