- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmpandrana : Fivarotana zava-pisotro voaroba, voadaroka ny tompon-trano, lasa ny vola

Ampandrana : Fivarotana zava-pisotro voaroba, voadaroka ny tompon-trano, lasa ny vola

Fandrobana indray ! Omaly tokony ho tamin’ny efatra ora hariva teo, trano fivarotana zava-pisotro iray teny amin’iny faritra Ampandrana iny no lasibatry ny jiolahy mitam-basy. Telolahy izy ireo araka ny fanazavàna azo, izay samy nitondra basy fohy avy. Toa efa maty paika tanteraka ny tetik’adin’ireto olon-dratsy ireto tamin’io fotoana io. Tamin’io ora sy fotoana io mantsy dia be olona mandalo sy mpiandry « bus », teny akaikin’ity fivarotana voatafika ity. Ambonin’izay dia tsy lavitry ny masoivoho vahiny iray, izay tsy ialàna mpitandro filaminana ilay toerana. Toy ireny olona hividy entana ireny mantsy no nidiran’izy ireo tao amin’ilay fivarotana. Nony tonga tao anatiny, ireo olon-dratsy no avy hatrany dia nambanan’izy ireo tamin’ny basy ilay mpivarotra tao an-toerana, niaraka tamin’ny fandrahonana isan-karazany. Nentin’ny fo mafàna sy ny fiarovana ireo fananana anefa ilay rangahy tompon-trano ka somary namaly ny tamin’ny fitakian’ireto jiolahy ny vola tao aminy. Ho setrin’izay anefa dia nofazazan’ireo olon-dratsy sakay ny masony ary mbola nodarohany ilay tompon-trano. Tsy afaka nanao na inona na inona intsony araka izany izy ireo. Lasan’ireto mpandroba tamin’izany ny vola an-tapitrisany maro, tao an-toerana, niaraka tamin’ireo entana sarobidy, finday sy firavaka. Tsy taitra akory izy ireo nony vita ny asa ratsiny fa toy ireny olon-tsotra ireny nivoaka ilay magazay. Fotoana elaela taty aoriana vao nisy nampandre ireo pôlisy tompon’andraikitra iny faritra iny. Nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo  ary nandray ny andraikiny avy hatrany tamin’ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola manao fisafoana sy savahao ny eny amin’ny manodidina izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici