- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpandrana : Lehilahy roa nifoka sy nitondra rongony tratehaky ny polisy 

Ampandrana : Lehilahy roa nifoka sy nitondra rongony tratehaky ny polisy 

Lehilahy miisa roa indray no voasambotry ny polisy noho ny fifohana rongony ny alakamisy lasa teo, teny Ampandrana. Polisy avy ao Antaninandro nanao fisafoana no naheno fofona rongony nidofaka be nanodidina an’Ampandrana ka avy hatrany dia nanao ny asany. Tratra ambodiomby tokoa ireo mpifoka rongony. Mbola teo ampidorohana izany izy roa lahy no tonga ny mpitandro filaminana. Niroso tamin’ny fisavana ireto farany avy eo ary mbola nahitana rongony iray fonosana mihitsy tany amin’izy ireo. Nentina namonjy ny biraon’ny polisy izy roa lahy hatao famotorana. Tamin’izany dia nilaza izy ireo fa teo Ampandrana ihany no nividiany izany tamin’ny vidiny arivo ariary. Fantatra moa fa mpandrava trano no asan’izy mirahalahy ary asa no nalehany teny Ampandrana. Tamin’ny fotoana fangalana aina amin’ny folakandro iny izy ireo no nanao ny fidorohana. Eo an-dalam-pitadiavana ilay mpivarotra rongony ny mpitandro filaminana ankehitriny. Izy roa lahy kosa mbola tazomina etsy Antaninandro.

Voarisoa Davidson

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici