- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmpandrana : Moto efatra indray nanjavona

Ampandrana : Moto efatra indray nanjavona

Moto scooter avokoa izy ireo ary nipetraka tsara tao anaty « parking » izay misy miambina. Nanjavona avokoa anefa ireo moto efatra ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary ny tompon’ireo kodiaran-droa ary tsy ela dia nisokatra ny fanadihadiana. Isan’ny nosamborina tamin’ity raharaha ity ny mpiambina ilay toerana. Nivoatra ny fanadihadiana ary tonga hatramin’ny fisavàna trano teny Ambohimangakely. Nahitam-bokany izany satria sarona tao ny kodiaran-droa miisa telo. Avy hatrany dia nitohy teo ny fisamborana ny tompon’ilay trano. Mbola nitohy ihany ny fakàna am-babany ary omaly dia mbola nisy ny fisamborana natao. Hita koa ny moto fahefatra tao anatin’izany. Olona dimy notazomin’ny zandary amin’ity tranga ity ary ny kodiaran-droa kosa dia efa haverina amin’ny tompony avokoa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici