- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmpandrana : Tovolahy avy nanao « stage » voendaka, lasa ny «...

Ampandrana : Tovolahy avy nanao « stage » voendaka, lasa ny « ordinateur »

Teny an-dalam-podiana, ny alarobia tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tany ho any, tovolahy iray avy nanao « stage » no lasibatry ny mpanendaka teny amin’iny faritra Ampandrana iny. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny kitapony izay nisy « ordinateur portable », niaraka tamin’ny finday sy antontan-taratasy maro. Telo ireo olon-dratsy raha ny vaovao azo, ary niaraka tamina basy « revolver » iray. « Miparitaka amina elakelan-trano samihafa ireo mpanao ratsy. Natsofony teo afovoany ilay lehilahy. Manome toromarika amin’ny alalan’ny sioka ny avy eo aloha. Nanambana basy revolver avy hatrany ny avy ao aoriana. Mitifitra big-boss kosa ny ambiny ka jenjina tsy nahita ilay noendahina », hoy ny vaovao. Lasa nitsoaka ireo olon-dratsy rehefa vita ny asa ratsiny, saingy tetsy andanin’izay dia niantso vonjy ilay voaendaka. Nirohotra nanenjika avy hatrany ny olona, niaraka tamin’ireo polisy avy etsy amin’ny boriborintany fahatelo. Ny andro rahateo moa mbola antoandro kanefa dia sahy tanteraka ireo mpanendaka. Tsy lasa lavitra ny iray dia tratra, tafapotsika kosa ny namany anakiroa. Mbola tratra teny amin’ity mpanendaka ity ny basy poleta nentiny nandrahonana ilay mpiana-draharaha teo. Raha ny fanazavàna azo dia isan’ny mpanendaka sy jiolahy rain-dahiny amin’ny fanafihana mitam-basy ity ranamana voasambotra ity, izay fantatra amin’ny anarana hoe Rivo Doli. « Olona efa ela nifampitadiavana izy io ary anisan’ny mpamatsy basy an’i Gims ilay voatifitra teny Betongolo tamin’ny taona 2015 », hoy hatrany ny vaovao. Tamin’ny famotorana natao azy dia fantatra fa ambonin’io fanendahana io dia « saika hanaovana asa ratsy ilay basy tratra teny aminy ». Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity mpanendaka rain-dahiny ity, ary nadoboka am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici